FR EN
L'ISPM a gagné le 1er prix de l'Olympiade d'Informatique de Madagascar 2012 pour sa première participation.
D'après le Shangaï ranking of Universities, ISPM est classé parmi les dix meilleures Universités de Madagascar (Top-10) (parmi les 140 universités publiques et privées).

Actualités

Contact

INSTITUT SUPERIEUR POLYTECHNIQUE DE MADAGASCAR
Ambatomaro Antsobolo
Antananarivo MADAGASCAR

Téléphone : +261 33 12 171 60
+261 34 20 874 28
+261 32 02 544 72

Email : ispm@ispm-edu.com

ISPM dans la presse

Retour à la liste des articles dans la presse
Article paru dans NY VALOSOA le 26/07/2018 par RADAF
ISPM Ambatomaro Antsobolo

Hampiranty ireo voka-pikarohany eny amin’ny Hotel Carlton Anosy


Indroa isan-taona no mampiranty ho fampahafantarana ireo vokapikarohana vitan’ireo mpianatra ao aminy ny ivon-toeram-pampianarana ambony Institut Supérieur Polytechnique de Madagascar (ISPM) eny Ambatomaro Antsobolo. Ny 03 ka hatramin’ny 07 jolay lasa teo no notanterahina ny andiany voalohany izay natao teny amin’ny foiben-toerany ihany. Ny talata 31 jolay sy ny alarobia 01 aogositra kosa no hotanterahina ny andiany faharoa eny amin’ny Hotel Carlton Anosy tahaka ny mahazatra. Tranoheva miisa 150 no hita eny amin’ireo andro roa ireo, hampiranty ireo voka-pikarohana mendrika indrindra tamin’ireo 310 tany ampiandohana. Anisan’izany ny fiaramanidina kely azo baikoina, robot mamaky naoty sy mively batterie, vokatra sakafo maro samihafa, solon-tsakafo mahasolo hena, haitao informatika sy mekanika marobe isankarazany, simia avy amin’ny tavongy plastika nahodina ary nahavitana pave, sy ny maro hafa tsy voatanisa.
Ankoatra ny fanatonana mivantana ny vahoaka dia kolontsaina ho an’ny mpianatra eo amin’ny famokaran-javatra izao hetsika izao sy hahafahany miserasera amin’ireo mpitsidika.
Ireo asa fikarohana voafidy ho mendrika kosa dia hahazoan’ilay mpianatra salanisa izay miditra ao anaty naotim-panadinana, no sady hisy loka homen’ny sekoly azy. Hipetraka rahateo ao anatin’ny CV hanatsara ny kalitaon’ny fahaizana izany. Ny diploma mivoaka eo anivon’ity sekoly ambony ity ihany koa dia nahazo ny fankatoavana avy amin’ny ministeran’ny fampianarana ambony sy fikarohana siantifika, sy avy amin’ny ministeran’ny asam-panjakana sy ny asa ary ny lalàna sosialy. Andiany faha-15 ity velatseho (salon) tanterahina eny amin’ny Hotel Carlton ty, iantsoana sy anasana ireo mpianatra manana ny diplôman’ny bakalorea, ireo mpandraharaha samihafa, ny ray aman-dreny, ireo maintimolalin’ny ISPM, ireo orinasa maniry ny hitady sy hitrandraka fiaraha-miasa, ary ny besinimaro tsy ankanavaka. Marihina fa izao hetsika izao dia iarahana mikarakara miaraka amin’ireo orinasa mpanohana vitsivitsy. Izy ireo dia hanokatra tranoheva ihany koa hahafahany miserasera amin’ny mpianatra ka hanolorany tolo-kevitra na tolotr’asa, sy fandraisana fangatahana asa. Maimaimpoana ny fidirana eny antoerana.
RADAF

FAHAIZANA - FAMPANDROSONA - FIHAVANANA