FR EN
L'ISPM a gagné le 1er prix de l'Olympiade d'Informatique de Madagascar 2012 pour sa première participation.
D'après le Shangaï ranking of Universities, ISPM est classé parmi les dix meilleures Universités de Madagascar (Top-10) (parmi les 140 universités publiques et privées).

Actualités

Contact

INSTITUT SUPERIEUR POLYTECHNIQUE DE MADAGASCAR
Ambatomaro Antsobolo
Antananarivo MADAGASCAR

Téléphone : +261 33 12 171 60
+261 34 20 874 28
+261 32 02 544 72

Email : ispm@ispm-edu.com

ISPM dans la presse

Retour à la liste des articles dans la presse
Article paru dans Tia Tanindrazana le 04/07/2018 par Pati
Fikarohana ataon’ny mpianatra

Ny vola enti-miasa hatrany no olana


Betsaka amin’ireo tanora mpianatra eto amintsika no mahavita zavatra tsara raha manao fikarohana. Ny olana anefa dia mila volabe sy finiavana hatrany izany, antony mampihemotra ny sasany. Ho ana tanora mpianatra maromaro manao fampirantiana ny voka-pikarohany teny Antsobolo omaly, ohatra, dia nahavita nanamboatra zava-maneno tendrena robot izy ireo, izany hoe : tsy ilana olona intsony. Tao anatin’ny efa-bolana nanatanterahany ny asa, mpianatra taona fahadimy manaraka ny lalam-piofanana informatique multi-media ao amin’ny sekoly ambony ISPM. Hetsika efa fanaon’ity sekoly ambony iray ity isan-taona ny tahaka izao ka tsy maintsy mandray anjara avokoa ireo mpianatra rehetra manovo fahalalana ao manomboka any amin’ny taona voalohany. Mahatratra 300 ireo voka-pikarohana haranty ao an-toerana ka misy hatramin’ny fikarohana sakafo feno otrikaina tsy ilana hena intsony ho fitandroana ny fahasalamana raha eo ihany koa ny fikarohana momba ny chocolat. Manazava ny dingana natrehiny izy mirahavavy kely mpianatra ireto.
- Narindra, 22 taona :
"Tsy mora ny manao fikarohana amin’izao. Tena ilana vola ilay izy sady ilana finiavana koa. Izaho izao nandeha teny Ambodinisotry mihitsy nitsimpona piesy tsy hita teny amin’ny toeram-pivarotana mahazatra."

- Narihasina, 22taona :
"Olana koa, lasa lafobe daholo ny vidin’ireo kojakoja ilaina amin’izao. Ho ahy manokana anefa na vehivavy aza aho dia manana nofinofy ho tonga mpikaroka tena henjana hahavita orchestra iray manontolo tendrena robot."
Pati

FAHAIZANA - FAMPANDROSONA - FIHAVANANA