FR EN
L'ISPM a gagné le 1er prix de l'Olympiade d'Informatique de Madagascar 2012 pour sa première participation.
D'après le Shangaï ranking of Universities, ISPM est classé parmi les dix meilleures Universités de Madagascar (Top-10) (parmi les 140 universités publiques et privées).

Actualités

Contact

INSTITUT SUPERIEUR POLYTECHNIQUE DE MADAGASCAR
Ambatomaro Antsobolo
Antananarivo MADAGASCAR

Téléphone : +261 33 12 171 60
+261 34 20 874 28
+261 32 02 544 72

Email : ispm@ispm-edu.com

ISPM dans la presse

Retour à la liste des articles dans la presse
Article paru dans L'Observateur le 06/07/2016 par Mavitrika
Mpianatra ISPM

Mampiranty ireo vokatra sanganasany


Na dia vao taona voalohany aza no vitan'ireto mpianatra ao amin'ny ISPM dia efa afaka sahady mamokatra zava-baovao avy amin'ny fampiarana noraisiny nandritra ny taom-pianarana izy ireo.
Anisan'izany ny zava-bitan'i Rasata Mayas Ainamanjato ao amin'ny taranja Eléctro-mécanique informatique et industriel (EMII). Vola 500.000 Ariary, ary tao anatin'ny telo herinandro monja dia nahavitany moto kely antsoina hoe "trottinette à moteur thermique" iray. Hatramin'ny cadre iray manontolo sy ny kojakoja madinika rehetra dia izy avokoa no niketrika izany hatramin'ny endriny (design) izay nahavariana tokoa ny mpitsidika ny varavarana misokatra izay karakarain'ny ISPM Antsobolo. Araka ny fanazavan-dramatoa Razafindrahety Aimé tompon'andraikitra ao amin'ity sekoly ity dia efa zarina mantsy ireo ankizy mpianatra hanao fikarohana hevitra vaovao, mba ho fampiharana avy hatrany izay nanofanana azy ireo, araka ny taranja misy azy avy. Noho izany dia mahatratra 340 ireo zava-baovao vokarin'ny mpianatra no aranty ao hatramin'ny sabotsy izao. Ny varavarana misokatra dia anasana indrindra ny raiamandreny, ny mpandraharaha ary indrindra ireo mpianatra vao nahazo ny diplaoma baklaorea. Marihina fa misy taranja 14 azo isafidianana ao amin'ity sekoly ity.
Mavitrika

FAHAIZANA - FAMPANDROSONA - FIHAVANANA