FR EN
L'ISPM a gagné le 1er prix de l'Olympiade d'Informatique de Madagascar 2012 pour sa première participation.
D'après le Shangaï ranking of Universities, ISPM est classé parmi les dix meilleures Universités de Madagascar (Top-10) (parmi les 140 universités publiques et privées).

Actualités

Contact

INSTITUT SUPERIEUR POLYTECHNIQUE DE MADAGASCAR
Ambatomaro Antsobolo
Antananarivo MADAGASCAR

Téléphone : +261 33 12 171 60
+261 34 20 874 28
+261 32 02 544 72

Email : ispm@ispm-edu.com

ISPM dans la presse

Retour à la liste des articles dans la presse
Article paru dans Lakroan'i Madagasikara le 12/10/2014
FAMPIANARANA TEKINIKA HO AN'NY FAMPANDROSOANA

Ny fototry ny fampandrosoana dia ny fifehezana ireo tekinika


Vahiny : Rtoa Aimée RAZAFINDRAHETY
Directeur administratif et financier de l'ISPM


Azonao lazaina fohifohy ve ny momba ny sekoly iandraiketanao ?

Ny sekoly ambony ISPM na Institut Supérieur Polytechnique de Madagascar dia sekoly ambony izay niforona tamin'ny taona 1993. Amin'izao fotoana izao dia mis lalam-piofanana 19 ny sekoly ary misy mpianatra miisa 2000 eo ho eo. Ireo lalam-piofanana tekinika dia ny informatika, ny elektronika, ny mekanika, ny asa vaventy (génie civil), ny indostria simika sy ny harena any kibon'ny tany, ny indostria "agro-alimentaires", ny fambolena, ny fiompiana, ny farmakolojia, ireo teknika ny fitantanana tahaka ny varotra, toekarena, ny fizahantany, ny lalàna, sns...
Raha ny fikilasiana nataon'ny "Shangai ranking of universities" dia ao anatin'ny folo voalohany amin'ny sekoly ambony miisa 140 eto Madagasikara ny ISPM.

Manao ahoana ny fiatrehan'ireo mpianatra mivoaka avy ao amin'ny sekoly ny tsenan'ny asa eto Madagasikara ?

Mananika ny 3500 ny isan'ny injeniera navoakan'ny sekoly ISPM ary mandray anjara amin'ny fampandrosoana an'i Madagasikara amin'ny alalan'ny orinasa izay misy an-drizareo avy tahaka ny Telma, ny Orange, ny Airtel, ny Banky sy ny Ministera isan-karazany sns... Misy koa ireo izay niasa na nandeha nianatra any am-pita (Frantsa, Amerika, Canada, sns...) ary mahomby tokoa izy ireo araka ny sehatra misy azy ireo avy.

Manao ahoana ny toeran'ny fampianarana tekinika manoloana ny fampandrosoana ny firenana ?

Izahay dia resy lahatra tanteraka fa ny tena fototry ny fandrosoana sy ny fampandrosoana dia ny fefehezana ireo tekinika isan-karazany tahaka ireo izay efa ampianararina eto amin'ny ISPM sy ny sekoly ambony hafa, tahaka ny ESPA, ny ESSA, ny ENI, sns... Tsy misy misitery io satria ny firenena no mandroso, ohatra USA, Japon, Chine, Europe, dia ny fefehezana ny teknolojia sy ny tekinika no iraisan'izy ireo. Raha ny hevitray manokana dia fanomezana lanja an'ireo taranja siantifika (matematika, fizika, simia, fandalinana ny zava-boary) any amin'ny ambaratonga voalohany sy ny ambaratonga faharoa no tsy maintsy atao. Avy eo dia tezaina ny ankizy sy ny tanora ho tia ny tekinolojia izay tsy inona fa fampiharana mivantana ireo taranja siantifika ireo ihany. Ambonin'izany dia esorina ilay hevitra diso hoe ny mpianatra tsy mahay no manao ny fiofanana ara-tekinika. Hevitra diso tanteraka mantsy io satria ny mpianatra mahay ihany no afaka hifehy ny tekinolojia sy iro taranja siantifika mifanitsy aminy, indrindra aty amin'ny ambaratonga ambony.

Farany dia tokony ampitomboina isa (atao marobe) ny kolojyè sy ny lisea tekinika na miankina na tsy miankina amin'ny fanjakana, satria lazaina foana ohatra fa mpamboly sy mpiompy ny 80 isan-jaton'ny Malagasy, nefa zara raha misy "lycée technique agricole" manerana ny nosintsika. Dia izay ohatra ilay tsy mety mampandroso antsika !

FAHAIZANA - FAMPANDROSONA - FIHAVANANA